[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Kanada

Avy amin'i Wikipedia
Canada ((fr))
Canada en
Kanada ((mg))
Sainan'i Kanada Mari-piandrian'i Kanada
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : (Latin) A Mari Usque Ad Mare
« Amin'ny ranomasina ilany hatramin'ny ranomasina ambadika »
Teny ofisialy anglisy, frantsay
Renivohitra Ottawa
45° 24' N, 75° 40' O
Tanana ngeza indrindra Toronto, Montréal, Vancouver, Calgary, Ottawa, Edmonton, Québec, Winnipeg, Hamilton.
Fitondrana sy governemanta
 - Roi
- Mpanjaka
- Praiministra
Fanjakana ara-dalam-panorenana
Charles III
Mary Simon
Justin Trudeau
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 2
9 984 670 km²
8,62 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 - hakitroka
faha 37
34 157 950 (6 Septambra 2009)[1] mpo.
3,42 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina kanadianina
IDH (2008) mahazo 0.967 (mihakatra) faha 3
Sandam-bola Dollar kanadianina (CAD)
Faritr'ora UTC -3,5 à -8
Hiram-pirenena Ô Canada
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1

I Kanada dia firenena any Amerika Avaratra. Any avaratr' i Etazonia no misy azy. I Kanada no firenena faharoa lehibe indrindra eran-tany, izay mirefy 6 500 km mahery avy any atsinanana ka hatrany andrefana. Manana farihy miisa 250 000 mahery ity firenena ity; rakotra ala ny 50 %-n' ny taniny. Noho ny toetany sarotra ainana indrindra, izay mampiavaka ny ankamaroan' ny faritra any Kanada, dia tsy mitovy ny fitsinjaràn' ny mponina ary mivangongo amin' ny sisintany manasaraka azy amin' i Etazonia.

Ny mponina voalohany tany Kanada dia ny Amerindiana. Ny Eorôpeana voalohany tonga tany Kanada dia ny Vikingy (vahoaka), tamin' ny taona 1000 any ho any. Nisy andiam-pikarohana faharoa nataon' ny Eorôpeana nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-15, anisan' izany ny Frantsay atao hoe Jacques Cartier sy i Samuel de Champlain. Ny tompontany dia nanana fifandraisana diplômatika tsaratsara tamin' ny Frantsay tamin' izy ireo. Hitan' i Jacques Cartier tamin' ny taona 1534 ny morontsiraka atsinanan' i Kanada, nahitany ny toerana nisy an' i Montréal, ary ny faritanin' i Quebec manodidina ny renirano Saint-Laurent no lasa zanatany frantsain' ny Tontolo Vaovao. Teo amoron' io renirano io no naorin' i Samuel Champlain ny tanànan' i Québec tamin' ny taona 1608. Ny fanjanahantany frantsay dia nanangana an' i Nouvelle-France ("Frantsa Vaovao") tamin' ny taona 1608. Nitondra voanjo (colons) 69 000 ny Frantsay tany Amerika Avaratra nanomboka tamin' ny nahatongavan' i Jacques Cartier hatramin' ny 1763.

Niady momba ny fanjanahana an' i Kanada ny Frantsay sy ny Britanika. Nony taty aoriana dia lasan' ny Britanika noho ny fandreseny ny Frantsay ny faritra avaratr' i Nouvelle-France. Tamin' ny taona 1763, ny traité de Paris ("fifanarahan' i Paris") dia nanolotra an' i Nouvelle-France ho an' i Angletera. Vitsy ny mponina britanika tao Kanada tamin' izany fotoana izany, ary nanomboka tonga kelikely taorian' ny fahaleovantenan' i Etazonia ny ankamaroan' ny mpanjanatany britanika izay nandositra noho ny tolom-piavotana amerikana.

Ny Acte constitutionnel du Canada ("Lalàna momba ny Lalàm-panorenan' i Kanada") nosoniavina tamin' ny taona 1791 dia nizara ilay firenena ho faritra roa, dia i Kanada Ambany (i Quebec) sy i Kanada Ambony (i Ontario). Na izany aza, dia nolanian' ny Britanika tamin' ny taona 1840 ny Acte d'Union ("Lalàna momba ny Firaisana") ho an' ireo zanatany roa ireo. Avy eo ny Acte de l'Amérique du Nord britannique ("Lalànan' i Amerika Avaratra Britanika") izay niteraka ny federasiôna kanadiana tamin' ny taona 1867: sambany nisy zanatany iray nahavita nitantan-tena nefa tsy niala tamin' ny Empira. Tamin' ny taona 1867, voaforon' ny Britanika ny Dominion-n' i Kanada, teraka avy amin' ny fivondronan' ny zanatany britanika telo: i Kanada navondrona, i New-Brunswick ary i Nouvelle-Écosse.

Tamin' ny taona 1931, ny Statut de Westminster ("Satan' i Westminster") dia namorona ny "Commonwealth": fanjakana mahaleo tena i Kanada. Ny "Acte de l'Amérique du Nord britannique", lalàna britanika natao tamin' ny taona 1867 dia naverina tany Angletera tamin' ny taona 1980 mba hanomezana lalam-panorenana an' i Kanada.

Ankehitriny dia firenena manana faritany mizaka tena i Kanada ary manana faritany folo ary tany telo. Ireo faritany folo sy tany telo ireo dia samy manana ny praiminisiny sy ny governemantany ary ny antenimierany. Nahazo ny fahaleovantenany avy amin' ny Fanjakana Mitambatra i Kanada, ary tsy nisy ady natao ho an' io fahaleovantena io. Anefa dia tsy ohatra ny zanatany anglisy nahaleotena taty aoriana ny fomba nahaleovan' i Kanada tena: azony tsikelikely ny fahaleovantenany nanomboka tamin' ny taona 1867 hatramin' ny taona 1982. Ankehitriny, i Kanada dia fanjakana manao ny mpanjakan' i Angletera ho mpanjaka. Ny tena fahefana kosa anefa dia eo am-pelantanan' ny governera jeneraly sy ny praiminisitra kanadianina izay fidian' ny vahoaka. Tamin' ny taona 1995 dia tsy lany tamin'ny fitsapan-kevibahoaka ny fahaleovantenan' i Quebec.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho vondrom-piarahamonina roa ny mponin' i Kanada: dia ny miteny frantsay any Quebec, sy ny miteny anglisy any amin' ny farira hafa, izay maka tahaka ny kolontsaia ny ny fomba fiainana ao Etazonia. Firenena miteny fiteny roa sy manan-kolotsaina maro samihafa i Kanada. Samy fiteny ôfisialy sy fitenim-pirenena ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. I Quebec irery no faritany be mpiteny frantsay, ary izy irery no faritany tsy manao ny fiteny anglisy ho fiteny ôfisialy. Miteny anglisy daholo ny ankabeazan' ny faritany rehetra. Tany Kanada tamin' ny 2006 dia 9,6 tapitrisa ny mpiteny frantsay (30,7 %) ary 26,6 tapitrisa ny mpiteny anglisy (85 %).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]