Nôvambra
Ny volana Nôvambra dia volana fahiraika ambin' ny folo ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Maharitra 30 andro ity volana ity. Io no volana fahatelo amin' ny fararano any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa volana fahatelo amin' ny lohataona kosa any amin' ny ila-bolantany atsimo, ary koa ny volana ririnina voalohany amin' ny ila-bolantany avaratra, fa volana fahavaratra voalohany any amin' ny ila-bolantany atsimo. Avy amin' ny teny latina hoe “novem” ny anarany, izay midika hoe "sivy" satria io no volana fahasivy tao amin' ny tetiandro rômana fahiny.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Fiandohana
[hanova | hanova ny fango]Tany am-boalohany, tao amin' ny tetiandro rômana antsoina hoe "tetiandro rômoleana", izay ahitana volana miisa folo, ny volana Nôvambra dia volana fahasivy amin' ny taona. Io anarana io dia amin' ny teny latina hoe November, izay avy amin' ny hoe novem, "sivy" sy ny tovana -bris izay avy amin' ny teny latina hoe ber "mitondra", na avy amin' ny andian-teny hoe ab imbre, "aorian' ny oram-panala".
Ny Rômana, rehefa zatra naneho ho olona na andriamanitra ny zavatra rehetra izay nanahirana ny nanazava azy (toy ny tsingerina isan-taona), dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nitandrina mba ho eo ambanin' ny fiarovan' ny voalohany, ka hiaro ny tenany tsy ho azon' ny faharoa. Ny volana efatra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: ny Martius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra rômanina Marsa, ny Aprilis (volana Aprily) ho an' i Afrôdita, ny Maius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' i Maia, ny Iunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' i Jonô. Ny enim-bolana farany dia notondroina amin' ny isa izay natao mba hahafaha-manavaka azy ireo mandritra ny taona: ny Quintilis ho an' ny volana fahadimy, ny Sextilis ho an' ny fahenina, ny September ho an' ny fahafito, ny October ho an' ny fahavalo, ny November ho an' ny fahasivy, ny December ho an' ny fahafolo. Amin' io tetiandro io, ny volana Marsa no volana voalohany amin' ny taona rômana.
Tetiandro pômpiliana sy joliana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny lovantsofina notantarain' ny mpanoratra latinina (Ôvidio, Varô), dia lasa nisy 12 volana ny tetiandro, na io tamin' ny naha mpanjaka an' i Noma Pômôlio (Numa Pompilius), na io tamin' ny fitondran' ny Decemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. ary ny Janoary no lasa volana voalohany amin' ity antsoina hoe "tetiandro pômpiliana" ity mba hanakaiky kokoa ny fiandohan' ny taona amin' ny sôlstisy ririnina izay mamarana ny vanim-potoana tsy isian' ny famokarana ary manomboka ny fanavaozan' ny Masoandro.
Na izany aza, ny taona rômana dia fantatra amin' ny daty nifidianana ny kônsoly roa, izay nandray ny fahefana tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K. Ny fiandohan' ny taon' ny kônsoly dia napetraka amin' ny 1 Janoary tamin' ny nampidirana ny tetiandro joliana tamin' ny 45 tal. J.K., i Jolio Kaisara dia nampanombka izany, tsy tamin' ny sôlstisy ririnina, fa tamin' ny tsinam-bolana manaraka mivantana an' io sôlstisy io, mba hifanaraka amin' ny toetsain' ny Rômana, izay zatra ny taom-bolana.
Tamin' ny Andro Antenatenany sy taty aoriany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Andro Antenatenany, ny firenena kristiana dia mampiasa ny tetiandro joliana ary nanomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra (fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa), ny 25 Martsa (fomba flôrentina na fomban' ny Fanambaràna), na amin' ny Paska (fomban' ny Paska) toy ny any amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy mampiseho ny taona araka ny fomba amam-panao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra.
Tany Frantsa, ny volana Nôvambra dia lasa volana faha-11 rehefa nanapa-kevitra ny mpanjaka Charles IX, tamin’ ny alalan' ny Didin' i Roussillon tamin' ny 1564, fa hanomboka ny 1 Janoary ny taona. Ny papa Gregôrio XIII dia manitatra izany fepetra izany ho an' ny firenena kristiana rehetra tamin' ny fandraisana tamin' ny taona 1582 ny tetiandro gregôriana izay napetraka miandalana ao amin' ireo fanjakana katôlika.
Ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Nandeha tsikelikely ny fampiasana ny tetiandro gregôriana izay mampitonda laharana fahiraika ambin' ny folo ny volana Nôvambra. Taty amin' ny taona 1926 izany tao Torkia. Ny fiforonan-teny latina momba ny volana Nôvambra dia mbola mampahatsiahy hatramin' izao ny filaharan' ity volana ity ao amin' ny taonan' ny "tetiandro pômpiliana": ankehitriny izy dia volana fahiraika ambn' ny folo, raha laharana fahasivy taloha.
Ireo zavatra nitranga tamin' ny Nôvambra
[hanova | hanova ny fango]Teraka
[hanova | hanova ny fango]- 1859 : Nikolaï Tikhomirov — injeniera