[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fetin' ny olo-masina

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpialoha lalana an' i Kristy miaraka amin' ny olo-masina sy maritiora, sary nataon' i Fra Angelico, 1423-1424.

Ny Fetin' ny Olo-masina na Andron' ny Olo-masina dia fety katôlika izay manome voninahitra ny olo-masina rehetra, na fantatra na tsy fantatra. Ao amin' ny Eglizy Katôlika manaraka fombam-pivavahana tandrefana, ny Andron' ny Olo-masina rehetra dia ankalazaina amin' ny 1 Nôvambra. Ny fankalazana litorjika dia manomboka amin' ny harivan' ny 31 Ôktôbra ary mifarana amin' ny faran' ny 1 Nôvambra. Izany dia atao andro iray mialoha ny Fahatsiarovana ny mpino nodimandry rehetra, izay a,kalazaina amin' ny 2 Nôvambra ny fetiny. Amin' ny teny latina ny Fetin' ny Olo-masina dia atao hoe latina: Sollemnitas Omnium Sanctorum ("Fety manetriketriky ny Olo-masina rehetra"). Ny Fiangonana Ôrtôdôksa sy ny Eglizy Katôlika Tatsinanana izay manaraka fombam-pivavahana bizantina dia mankalaza ny Alahadin' ny Olo-masina rehetra, amin' ny Alahady manaraka ny Pentekôsta. Ny Prôtestanta dia tsy manao fanompoam-pivavahana amin' ny olo-masina nefa mankalaza ny andron' ny olona masina amin' ny 1 Nôvambra ny fiangonana loterana sasany sy ny Anglikana koa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]