Eisenach
I Eisenach dia tanàna any Alemaina ao amin' ny tapany andrefana amin' ny Landan' i Thüringen (frantsay: Thuringe) sady ao afovoan' i Alemaina, ao amin' ny lohasahan' i Hörsel. Manerinerina ao aminy ny tranoben' i Wartburg izay nanaovan' ny trobadora fampisehoana tamin' ny taonjato faha-13 sady nahazoan' i Richard Wagner ny aingam-panahiny namoronany ny ôperà Tannhäuser. Fantatra koa ity tanàna ity noho izy nanaovan' i Martin Lotera ny fandikana ny Baiboly amin' ny teny alemàna tamin' ny taonjato faha-16.
Ahafantarana ity tanàna ity koa ny maha toerana nahaterahan' i Johann Sebastian Bach (frantsay: Jean-Sébastien Bach) tamin' ny taona 1685 izay nonenany mandra-pahafatin' ny reniny tamin' ny taona 1695.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera:
- Altenburg - Augsburg - Eisenach - Eisleben - Erfurt - Königsberg - Leipzig - Liebenwerda - Magdeburg - Marburg - Mohrungen - Speyer - Strasburg - Wachsdorf - Wittenberg - Worms
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Eisenach |