[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Ôbadia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Obadia)
Ny mpaminany Ôbadia, sary rosiana tamin' ny taonjato faha-18.

I Ôbadia na Abdiasa dia mpaminanin' i Israely voaresaka ao amin' ny Baiboly. Voalaza fa niaro ny ain' ny mpaminany hafa miisa 100 izay nenjehin' ny mpanjakavavy Jezebela izy ary naminany ny handravana an' i Edôma.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe עֹבַדְיָה /ʿŌvaḏyāh na עֹבַדְיָהוּ /ʿŌvaḏyā́hū; izay midika hoe "Mpanompon' i Yah" (izany hoe "Mpanompon' i Iahveh"), i Ôbadia.

Tamin' ny andron' i Jeremia angamba no fotoana nahavelomany ka mety nahita ny fandravana an' i Jerosalema sy ny Tempoly voalohany tamin' ny fanafihan' i Nebokadnezara tokony ho tamin' ny taona 600 tal. J.K. Nanan-karena i Ôbadia nefa nozarainy tamin' ny mpaminany mahantra izany. Nindram-bola misy zanany tamin' i Jôrama zanaky ny mpanjaka Ahaba (na Akaba) izy hamelomany an' ireo mpaminany ireo. Lazain' ny Baiboly ho nihoatra ny an' i Abrahama ny fatahoran' i Ahaba an' Andriamanitra. Ny lovantsofina jiosy dia manao an' i Ôbadia ho nanoratra ny Bokin' i Ôbadia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]