[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Isa voatsapa

Avy amin'i Wikipedia

Ny isa voatsapa, ao amin' ny matematika, dia isa miiba na miabo azo ampiasaina handrefesana ny habe mitohy tokan-dafy toy ny elanelana, ny faharetana na ny mari-pana. Eto, ny hoe "mitohy" dia midika fa ny sanda roa samihafa dia mety misy fahasamihafana kely araka izay itiavana azy.

Ny isa voatsapa dia isa azo aseho amin' ny ampahany tsimivaky misy eva miabo (+) na miiba (-), sy tandahatra tarehimarika isa tafolo misy fetra na tsy manam-petra. Ity famaritana ity dia manitatra ny amin' ny isa tafolo amin' ny alalan' ny fampidirana ny isa voasaina, izay ahitana ampahany tafolo mitsingeringerina avy amin' ny laharana iray, ary koa isa hafa manaiky ny fivoarana tafolo tsy mitsingeringerina sady antsoina hoe tsvoasaina, toy ny faka faharoan' ny 2, π ary e.

Nipoitra tsikelikely ny fahalalana tsotsotra momba ny isa voatsapa avy amin' ny fikirakirana ny tahan' ny habe jeômetrika ankoatra ny tahan' ny isa nanahary hatramin' ny fandinihan' i Eodôksôsy avy any Knidiôsy tamin' ny taonjato faha-4 tal JK.

Izany fahalalana izany koa dia ampahany amin' ny fadrikitana ny vahan' ny olana aljebrika maro ary niteraka ny fampiharihariana isa mihoadraha, tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19. Ny famaritana ny isa voatsapa anefa dia natao am-polony taona vitsivitsy taty aoriana niaraka amin' ny fananganana nataon' i Dedekind andaniny sy i Cantor sy Méray ankilany.

Ny vondron' ny isa voatsapa dia tondroina amin' ny fomba mahazatra amin' ny litera R⁠ na ℝ, fanafohezana ny teny frantsay hoe réel, nampiasain' i René Descartes tamin' ny taonjato faha-17, manavaka ny isa voatsapa amin' ny isa an-tsaina toy ny faka faharoan' ny isa −1. Ny isa voatsapa dia ahitana ny isa voasaina, toy ny isa tsimivaky −5 sy ny ampaha 4 / 3. Ny isa voatsapa sisa rehetra dia antsoina hoe isa tsivoasaina. Ny isa tsy voasaina sasany (ary koa ny isa voasaina rehetra) dia fakan' ny maromiantiana misy lanjan' isa tsy vaky, toy ny faka faharo √2 = 1,414...; ireo no atao hoe isa aljebrika. Misy koa isa voatsapa izay tsy toy izany, toy ny π = 3,1415...; ireo no antsoina hoe isa mihoadraha.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]