[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Kalalao

Avy amin'i Wikipedia
Kalalao (Blattaria)

Ny kalalao na kadradraka bibikely somary menamena fisapisaka matetika misy elatra, mamorona zana-daharana Blattaria ao amin' ny laharana Blattodea, izay mahafaka koa ny aboaly.

Blaberus giganteus

Ny fanasokajiana ireo vondrona ireo dia mbola iharan' ny vinavina samihafa. Ny iray amin' izany dia mampiditra azy ireo miaraka amin' ny famakiloha sy ny mitovitovy aminy ao amin' ny filaharana Dictyoptera. Ny hafa kosa te hanasaraka azy tanteraka, ka ny kalalao dia arao ao amin' ny filaharana Blattodea fa ny aboaly kosa dia ao amin' ny filaharana Isoptera. Na izany aza, ny fikarohana farany momba ny fototarazon' ireo vondrona ireo dia manondro fa avy amin' ny razambe iray izy ireo sady mifandray akaiky dia akaiky.

Tryonicus parvus

Ireo bibikely ireo dia heverina ho mpanimba noho ny fahazaran' ny karazana sasany. Amin' ny fitambarany, latsaky ny 1 % amin' ny karazana kalalao fantatra no mifandray amin' ny olombelona ary azo heverina ho bibikely tsy tiana tokoa. Karazana 25 ka hatramin' ny 30 eo ho eo no mety ho olana ary ny antsasany dia miteraka olana indraindray. Ny karazana lazaina fa mpanimba dia mifandray sy zatra ny olombelona ary hita indrindra any an-dakozia, ka ao izy no mihinana ny fakon' ny olombelona.

Ny karazana miisa 6 000 eo ho eo miparitaka manerana izao tontolo izao dia samy hafa amin' ny endriny, ny lokony ary ny habeny. Ny fisehoany teto an-tany dia efa ho 355 tapitrisa taona lasa izay.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Kalalao matin-dronono ka matin-draha tiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]