[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fidangan' ny vidim-piainana

Avy amin'i Wikipedia
Tsena ao Afrika

Ny fidangan' ny vidim-piainana dia fisondrotan' ny vidin' ny entana sy servisy amin' ny toekarena ankapobeny sady maharitra. Rehefa miakatra ny vidin-javatra amin’ ny ankapobeny dia vitsy kokoa ny entana sy serivisy azo vidina amin’ ny ventim-bola tsirairay; noho izany, ny fidangan' ny vidim-piainana dia mifandray amin' ny fihenan’ ny fahefa-mividin’ ny vola. Ny fihenan' ny vidim-piainana, izay fihenana maharitra eo amin' ny vidin' ny entana sy serivisy amin' ny ankapobeny, no mifanohitra amin' ny fidangan' ny vidim-piainana. Ny tahan' ny fidangan' ny vidim-piainana, izay isanjaton’ ny fiovana anatin’ ny taona amin' ny tondrom-bidy ankapobeny, no fandrefesana ny fidangan' ny vidim-piainana.

Mitranga ny fidangan' ny vidim-piainana rehefa misy ny tsindry ara-toekarena sy ny fiandrasana mialoha ny fisehoan-javatra sasany ka mahatonga ny tinady momba ny entana sy ny servisy hiakatra mihoatra ny tolotra misy amin' ny vidiny efa misy, na rehefa mihena ny vokatra noho ny tsy fahombiazan' ny fahafaha-mamokatra na ny fanerena rehetra eo amin' ny tsena. Raha kely dia kely na tsy misy ny fidangan' ny vidim-piainana dia marin-toerana ny vidin-javatra amn' ny ankapobeny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]