[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fiteny rômany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny rômany na fiteny rômanesy dia fiteny lehibe indô-ariana avy any amin' ny tapany avaratr' i India: anisan' ny vondrom-piteny indô-ariana any Avaratra-Andrefana izay ahitana ny fiteny ponjaby, ny fiteny sindy sy ny hafa, avy amin' ny fitenim-bahoaka tokana na prakrita izay fiteny tany amin' ny Lohasahan' i Indosy ary avy amin' ny fiteny sanskrita ny fiaviany.

Voalaza fa ny sasany amin' ny Rôma (fantatra koa amin' ny hoe Bôhemiana, Jitàna, Rômanisela, Gipsy sy ny hafa), izay ny razambeny dia lazaina fa nanao fifindra-monina miadana sy miparitaka mankany andrefana hatramin' ny fiandohan' ny taonarivo voalohany namakivaky ny tanin' ny Tiorka Gaznavida sy Seljokida (lalana mianatsimo) sy ny an' ny kanatan' ny Hôrda Volamena, ny an' ny Hajitarkana sy ny an' i Krimea (lalana mianavaratra).