[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Fiteny kômôriana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny Vondro-nosin' i Kômôro

Ny fiteny kômôriana dia karazam-piteny banto tenenina ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro sy any amin' ireo firenena misy Kômôriana mipetraka. Atao hoe shimasiwa na shikomori io fiteny io amin' ny fiteny kômôriana. Sahala amin' ny fiteny soahily, ny fiteny kômôriana dia fiteny sabaky, anisan' ny fianakaviam-piteny banto. Miisa any amin' ny 941 500 ny mpiteny kômôriana, ka 800 000 tao Kômôro tamin' ny taona 2011[1] ary 300 000 tao Mayotte tamin' ny taona 2007[2][3].

Samy manana ny fiteniny ny nosy tsirairay, ary avondrona anaty vondrona roa araka ny mahazatra izy efatra: ny vondrona atsinanana dia ahitana ny sinjoany sy ny simaôre, fa ny vondrona andrefana kosa dia ahitana ny simoaly sy ny singazija. Na dia tsy ifankahazoan' ny mpiteny aza ny fitenin' ny vondrona samihafa, izay ny 80 % eo ho eo amin' ny voambolana ihany no itambarany, dia misy fifankahazoan-kevitra eo amin' ireo fitenim-paritray ao anatin' ny vondrona tsirairay, izay midika fa ny fiteny kômôriana dia tokony hoheverina ho misy vondrom-piteny roa, ka ny tsirairay amin' ireo vondrona ireo dia misy fiteny roa avy, fa tsy fiteny efatra miavaka[4][5]. Tenenina aty Madagasikara sy atsy La Réunion ary any am-pielezana hafa koa ny fiteny kômôriana.

Ho fanampin' ireo indran-teny maro avy amin' ny fiteny arabo, izay fahita matetika ao amin' ny vondrona soahily, dia nampiditra teny avy amin' ny fiteny pôrtogey koa ny fitenim-paritra kômôriana, ary amin' ny ampahany kely kokoa avy amin' ny fiteny anglisy, nanomboka tamin' ny taonjato faha-16; nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 dia ny fiteny frantsay no nanjakazakaindrindra. Ireo fitenim-paritra kômôriana ireo dia nosoratana tamin' ny tarehin-tsoratra latina na arabo.

Ara-tantara, nosoratana tamin' ny tarehin-tsoratra arabo Ajami ilay fiteny. Nampiditra ny soratra latina ny fitondrana mpanjanaka frantsay, izay navoaka tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny 2009 ny fanovana natao[5]. Maro ny Kômôriana ankehitriny no mampiasa ny soratra latina rehefa manoratra ny teny kômôriana na dia mbola be mpampiasa aza ny soratra Ajami, indrindra fa ny vehivavy. Vao haingana, ny manam-pahaizana sasany dia nilaza fa ity fiteny ity dia mety ho an-dalana mankany amin' ny loza mitatao, noho ny fiovana fehezam-pitsipika tsy marin-toerana sy ny habetsahan' ny voanteny frantsay ampiasaina amin' ny fiteny andavanandro[6].

Ny fiteny kômôriana no ampiasaina ao amin' ny Umodja wa Masiwa, hiram-pirenena kômôriana.

Karazan' ny fiteny kômôriana

[hanova | hanova ny fango]

Samy manana ny fiteniny ny nosy efatra tsirairay, ary tsinjaraina anaty vondrona roa araka ny mahazatra izy efatra, dia ny vondrona atsinanana sy ny vondrona andrefana. Na dia tsy ifankahazoan' ny mpiteny aza ny fitenin' ny vondrona samihafa, izay ny 80 % eo ho eo amin' ny voambolana ihany no itambarany, dia misy fifankahazoan-kevitra eo amin' ireo fitenim-paritra ao anatin' ny vondrona tsirairay, izay midika fa dia tokony hoheverina ho misy vondrom-piteny roa ny fiteny kômôriana, ka ny tsirairay amin' ireo vondrona ireo dia misy fitenim-paritra roa avy, fa tsy fiteny efatra miavaka[4][5].

Ny vondrona antsinanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vondrona atsinanana dia ahitana ny sinjoany sy ny simaôre. Tenenin' ny olona 348 000[7] ao Anjouan na Nzwani ny fiteny anjoaney (na fiteny sinjoany). Tenenin' ny olona miisa 156 500[8] ao Mayotte na Mahôry kosa ny fiteny mahôrey (na fiteny simaôre).

Ny vondrona andrefana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vondrona andrefana dia ahitana ny simoaly sy ny singazija. Tenenin' ny olona miisa 396 000[9] ao Kômôro Lehibe na Ngazija ny fiteny kômôriana lehibe (na fiteny singazija). Tenenin' ny olona misa 41 500[10] ao Moheli na Mwali ny fiteny môheliana (na fiteny simoaly).

Fanoratana ny fiteny kômôriana

[hanova | hanova ny fango]

Tarehin-tsoratra latina

[hanova | hanova ny fango]
Tarehin-tsoratra latina[11]
Sora-baventy A Ɓ B C Ɗ D E F G H I J K L M N O P R S T U V W Y Z
Sora-madinika a ɓ b c ɗ d e f g h i j k l m n o p r s t u v w y z
Feo /a/ /ɓ/ /b/ /t͡ʃ/ /ɗ/ /d/ /e/ /f/ /ɡ/ /h/ /i/ /d͡ʒ/[12] /k/ /l/ /m/ /n/ /o/ /p/ /r/ /s/ /t/ /u/ /v/ /w/ /j/ /z/
Litera mifampibaby Feo
dh /ð/
dj /d͡ʒ/[13]
dr /ɖ/
dz /d͡z/
gh /ɣ/
ny /ɲ/
sh /ʃ/
pv /β/
th /θ/
tr /ʈ/
ts /t͡s/

Fanamarihana: Amin' ny fiteny simaôre, ny litera mifampibaby "vh" sy "bv" dia ampiasaina hanehoana ny feo /β/.

Tarehin-tsoratra arabo

[hanova | hanova ny fango]
Rafi-panoratana Kamar-Eddine[14]
Tarehin-tsoratra پ تّ ج ح د ر ز زٌ س سّ ش شّ غ ف ڢ ڤ ك ل م ن نّ ه و ي ى
Feo /a/ /b/ ou /ɓ/ /p/ /t/ /ʈ/ /d͡ʒ/ /h/ /d/ ou /ɗ/ /r/ /z/ /d͡z/ /s/ /t͡ʃ/ /ʃ/ /t͡ʃ/ /g/ /f/ /β/ /v/ /k/ /l/ /m/ /n/ /ɲ/ /o/ /e/ /u/ /w/ /i/ ou /j/

Rohin-tsoratra

  •  : /je/

Voambolana

[hanova | hanova ny fango]
Teny malagasy Teny kômôriana
tany ardhwi, shipvandre-sha-ntsi
lanitra bingu, wingu
rano madji, maji
afo, môtro m(d)ro, moro
lehilahy mdrumume, muntru baba, mundru baba, mwanam(u)me
vehivavy muntru mdzadze, mwanam(u)she
misakafo hula, uya, ula
misotra hunwa
lehibe mhu'u, kuu
kely m'titi, n'titi
alina masihu, uku
mitatao vovonana saa sita
fiteny lugha
Frantsay (olona) mfarantsa, mzungu, mnaswara
fiteny frantsay shifarantsa, shizungu, shinaswara
vahiny (tsy tompon-tany) mdjeni, mgad'ja
sekoly chioni
mpampianatra foundi
jiolahimboto chef de bande
tsara tarehy djiso
lehibe, lava mle
fo roho
zaza mwana
asa hazi
efitra fidiovana, fivoahana mchanani
maraina pvotchasi, mtchasi, subuhi
tolakandro djioni
vendrana daba
viande nyama
akoho nkouhou
mihaino hwishia
manome nike
vola mapessa
saro-bidy, lafo ghali
vary masaka maele
mangahazo, mahôgo mhogo
betsaka mendji, menji
fiarakodia gari

Fitsipiteny

[hanova | hanova ny fango]

Kilasin' anarana

[hanova | hanova ny fango]

Toy ny ao amin' ny fiteny banto hafa, ny simaôre dia misy rafitra kilasin' anarana voamarika amin' ny alalan' ny tovona. Ny kilasy 1 ka hatramin' ny 10 amin' ny ankapobeny dia manana fifanoheran-tsinga mandeha tsiroaroa tokana/maro.

Kilasy Tovona Kilasy Tovona
1 m(u)-, mw 2 wa-
3 m(u)-,mw- 4 m(i)-
5 Ø- 6 ma-
7 shi- 8 zi-
9 Ø- 10 Ø-
10a ngu- 11 u-

Ny kilasy faha-9 sy faha-10 dia ahitana indrindra teny nindramina toy ny hoe dipe (avy amin' ny teny frantsay du pain "mofo") ary tsy misy tovona. Ny kilasy faha-7 sy faha-8 ary ny kilasy faha-9 sy faha-10 dia mitovy fandrindrana endrika amin' ny mpamaritra sy ny matoanteny. Ny kilasy faha-10a dia ahitana teny vitsy dia vitsy, izay amin' ny ankapobeny ny filaza maron' ny teny ao amin' ny kilasy faha-11. Ny kilasy faha-15 dia ahitana ny matoanteny amin' ny filaza tsy mitanisa, izay mitovy baba kokoa amin' ny gerund ao amin' ny fiteny anglisy.

Ufanya hazi njema

15.manao asa tsara

"Tsara ny miasa"

Ny kilasy faha-16 dia tsy manana afa-tsy teny roa, vahana sy vahali, izay samy midika hoe "toerana". Azo inoana fa nindramina tamin' ny teny soahily hoe pahali izy io, izay nindramina tamin' ny teny arabo hoe mahal. Ny kilasy faha-17 dia ahitana teny milaza toerana ampiasana ny tovona ha-, ary ny kilasy faha-18 ahitana ny teny milaza toerana ampiasana ny tovona mwa-[6][15].

Ny isa ao amin' ny fiteny kômôriana dia manarakaraka ny anarana. Raha 1 hatramin' ny 5 na 8 ny isa dia tsy maintsy ampifanarahina endrika amin' ny kilasin' ny anarana.

Isa
Isa Teny kômôriana Isa Teny kômôriana
1 oja 6 sita
2 ili 7 saba
3 raru 8 nane
4 nne 9 shendra
5 tsano 10 kumi

Mpamaritra sy ny mpisolo manondro

[hanova | hanova ny fango]

Misy telo ny mpisolo na mpamaritra manondro: ny voalohany milaza zavatra akaiky, ny faharoa milaza zavatra tsy akaiky, ary ny fahatelo faharany milaza zavatra efa voalaza rahateo tao amin' ny resaka[6].

Mpamaritra sy ny mpisolo milaza fananana

[hanova | hanova ny fango]

Ny singa milaza fananana -a dia mifanaraka endrika amn' ny anaran' ilay zavatra ananana. Ny filaharana ankapoben' ny tarika milaza fananana dia toy izao: fananana-Ca-tompon-javatra[6].

gari l-a Sufa

5."fiara" - 5-kaso milaza fananana - Sufa

"Fiaran' i Sufa"

Matoanteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny kômôriana dia maneho ny rafitry ny matoantenin' ny fiteny banto.

Rafitry ny matoanteny kômôriana
1 2 3 4 5 6 7 8
Vontoatiny Tovon' ny matoanteny Mpanamarika ny lazaina Fotoana+Fanehoan-javatra+Filaza

Na dia tsy misy afa-tsy endrika iray ihany ny mpanamarika lazaina ho an' ny mpisolo tena lazaina milaza maro sy ho an' ny lazaina ao amin' ny ao amin' ny kilasy faha-3 hatramin' ny faha-18.

Ny mpisolo tena lazaina

[hanova | hanova ny fango]
Ny mpisolo tena lazaina[16]
Vondrona 1 Vondrona 2 Vondrona 3[17]
1 tokana ni- tsi- -m-
2 tokana u- hu-/u- -o-
3 tokana a- ha-/a- -u-
1 maro ri-
2 maro m-/mu-
3 ùaro wa-

Ao amin' ny prôtô-sabaky, ny mari-pamantarana ny mpisolo tena lazaina faha-2 tokana sy faha-2 tokana dia *ku sy *ka. Na izany aza, ny *k dia lasa h amin' ny fiteny singazija ary lasa Ø ao amin' ny fitenim-paritra hafa rehetra[18].

Ny endrika mandà amin' ny matoanteny dia azo amin' ny alalan' ny fametrahana ny tovona ka-. Na izany aza, indraindray ny hasin-teny hafa ao amin' ilay matoanteny dia mety manana dikany hafa rehefa ampiana an' ilay tovona mandà, toy ny amin' ity ohatra manaraka ity, izay ahitana ny tovana -i, matetika ny filazam-potoana lasa dia mandray ny dikany amin' ny filazam-potoana ankehitriny milaza fahazarana rehefa ato amin' ny endrika mandà.

ri-dy-i nyama (ridyi nyama)

1maro-mihinana-lasa hena

"Nihinan-kena isika/izahay"

ka-ri-dy-i nyama (karidyi nyama)

mandà-1maro-mihinana-ankehitriny.mahazatra.mandà hena

"Tsy nihinan-kena isika/izahay"

Mampiasa tovana si-/su- ny filazam-potoana ankehitriny mitohy, ny filazam-potoana hoavy mampmiasa ny hoe tso- ary ny filaza mihonohono mampiasa ny hoe a-tso-.

Misy filazam-potoana lasa roa ao amin' ny fiteny kômôriana[6]. Ny voalohany amin' izy ireo dia ny filazam-potoana lasa tsotra, izay mampiasa ny rafitra "mpanamarika lazaina+fototeny+tovana1". Ny faharoa dia ny filazam-potoana lasa saro-drafitra, mampiasa ny rafitra "mpanamarika lazaina+ka mpanamarika lazaina+fototeny-tovana 1"[16].

tsi-ka tsi-hu-on-o (tsika tsihuono)

1tokana.kaso tsotra-lasa 1tokana.kaso tsotra-2tokana.iharana-mahita-zanapeo famaranana

"Nahita anao aho"

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • Ahmed-Chamanga, Mohamed. (1997) Dictionnaire français-comorien (dialecte Shindzuani). Paris: L'Harmattan.
  • Djohar, Abdou. (2014) Approche contrastive franco-comorienne: les séquences figées à caractère adjectival. Université Paris-Nord.
  • Johansen, Aimee. A History of Comorian Linguistics. in John M. Mugane (ed.), Linguistic Typology and Representation of African Languages. Africa World Press. Trenton, New Jersey.
  • Johansen, Aimee. A History of Comorian Linguistics. in John M. Mugane (ed.), Linguistic Typology and Representation of African Languages. Africa World Press. Trenton, New Jersey
  • Mohamed Ahmed-Chamanga, "Transcription et orthographe du comorien", KomEDIT,‎ 5 juin 2019 ([arsiva]).
  • Mohamed Ahmed-Chamanga, Dictionnaire français-comorien (dialecte Shindzuani)., 1997, Paris, Éditions L'Harmattan
  • Mohamed Ahmed-Chamanga, Lexique comorien (shindzuani) : Français, Paris, Éditions L'Harmattan, 1er janvier 1992, 240 p. ([arsiva])
  • Mohamed-Soyir, Kassim. 2014. Le nom en shiNgaziʤa : morphologie, phonologie, sémantique et syntaxe. Thèse de doctorat de l'Université Paris 7.
  • Patin, Cédric. 2013. /r/ in Washili Shingazidja. In L. Spreafico & A. Vietti (eds.), Rhotics. New data and perspectives, 169–187. BU Press, Bozen-Bolzano.
  • Rey, Veronique. (1994) Première approche du mwali. Africana Linguistica XI. Tervuren: MRAC.
  • Rombi, Marie-Françoise & Pierre Alexandre. 1982. Les parlers comoriens, caractéristiques différentielles, position par rapport au swahili. In Marie-Françoise Rombi, Etudes sur le bantu oriental, 17-39. SELAF, Paris.
  • Rombi, Marie-Françoise. 1983. Le shimaore (Ile de Mayotte, Comores). Première approche d'un parler de la langue comorienne. SELAF, Paris.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Udzima wa Komori". Université Laval, 2325, rue de l'Université. Notsidihina tamin' ny 4 Desambra 2018.
  2. Daniel Barreteau. "Premiers résultats d'une enquête sociolinguistique auprès des élèves de CM2 de Mayotte" (PDF). Arsiva (PDF) tamin' ny 14 Jona 2007. Notsidihina tamin' ny 17 mey 2007.
  3. "Population of Mayotte". INSEE.
  4. 4,0 et 4,1 "An Ethnography of  the Mahorais (Mayotte, Comoro Islands) - ProQuest". www.proquest.com. Notsidihina tamin’ ny  23 febroary 2024.
  5. 5,0 5,1 et 5,2 Ahmed-Chamanga, Mohamed (2010). Le shiNdzuani. Introduction à la grammaire structurale du comorien. Moroni (Comores): Komedit CNDRS Palashiyo
  6. 6,0 6,1 6,2 6,3 et 6,4 Alnet, Aimee Johansen (2009). The Clause Structure Of The Shimaore Dialect Of Comorian (Bantu). Shimaore.net.
  7. "Ndzwani Comorian" [arsiva][wni] in Ethnologue.
  8. "Maore Comorian" [arsiva] [swb] in Ethnologue.
  9. "Ngazidja Comorian" [arsiva] [zdj] in Ethnologue.
  10. "Comorian, Mwali" [arsiva][wlc] in Ethnologue.
  11. Mohamed Ahmed-Chamanga, "Transcription et orthographe du comorien", KomEDIT,‎ 5 juin 2019  [arsiva], notsidihina tamin’ ny 26 Aogositra 2022).
  12. Ampiasaina amin' ny simaôre sy sinjoany ihany.
  13. Ampiasaina ao amin' ny simoaly sy ny singazija ihany.
  14. Michel Lafon, "Le système Kamar-Eddine : une tentative originale d’écriture du comorien en graphie arabe" (PDF), Ya Mkobe, Nos 14-15,‎ 2007, p. 29-48 ([arsiva], notsidihina tamin’ ny 26 Aogositra 2022).
  15. Rombi, Mmie-Franyoise 1983. Le Shimaore, Paris: SELAF.
  16. 16,0 et 16,1 Full, W. (2001). Two past tenses in Comorian: morphological form and inherent meaning.
  17. Ao amin' ny fitenim-paritra singazija sy simoaly ihany no misy an' io vondrona faha-3 io.
  18. Nurse, D (1983). "The Proto-Sabaki Verb System and its Subsequent Development". The Proto-Sabaki Verb System and its Subsequent Development