Fandikan-teny
Ny fandikan-teny dia fampitana ny hevitra entin' ny hafatra nosoratana tamin' ny fiteny iray ho amin' ny fiteny iray hafa. Mety hatao am-bava na an-tsoratra ny fandikan-teny.
Noho ny fangatahan' ny raharaham-barotra iraisam-pirenena nanomboka tamin' ny revôlisiôna indostrialy tamin' ny taonjato faha-18 dia niforona ny asan' ny mpandika teny miaraka amin' ny fianarana mandika teny sy ny orinasa fandikan-teny.
Noho ny asa lehibe takin' ny fandikan-teny dia nanomboka nitady fomba hanaovana fandikan-teny mandeha hoazy ny injeniera – izay fantatra amin' ny anarana hoe fandikan-teny ataon' ny milina – na fanampiana ny mpandika teny hanao ny asany. Nahamaro ny mpandika teny ataon' ny milina ny fisian' ny Aterineto, ary nahamora ihany koa ny fifandraisan' ny mpanjifa sy ny mpandika teny matihanina izany.