[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Salamo faha-151

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-151 dia salamo tsy hita ao amin'ny Bokin'ny Salamo araka ny ahafantarana azy ao amin'ny Baiboly hebreo sy ny Baibolin'ny ankamaroan'ny fivavahana kristiana (katolika, protestanta sns.) izay ataon'ny mpanoratra azy ho sora-tanan'i Davida tenany. Tsy mitondra laharana izy tamin'ny voalohany.

Fandraisana ny Salamo faha-151

Ireo dikan-teny tranainy

Hita ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny fiteny grika atao hoe Septanta (na Septoaginta) sy ao amin'ireo Baiboly amin'ny latina atao hoe Latina Tranainy (latina: Vetus Latina) ary ao amin'ny Volgata (latina Vulgata) ny Salamo faha-151. Hita ao amin'ny Peshita (izay ahitana koa ny faha-152 hatramin'ny faha-155) sy ao amin'ny Baibolin'ireo Fiangonan'ny Konsily telo (Fiangonana ortodoksa tatsinanana) koa izy.

Soratra kanonika

Soratra kanonika anefa ny Salamo faha-151 ho an'ny Fiangonana apostolika armeniana (isan'ny Ortodoksa tatsinanana) izay mampiasa azy amin'ny andron'ny Pentekosta sy ny Fiangonana ortodoksa teoahedo izay mamaky azy amin'ny alin'ny Zoma masina. Ny Fiagonana ortodoksa kopta ary ny Fiangonana katolika armeniana koa dia manao azy ho kanonika.

Soratra apokrifa

Araka an'i Henri-François de Vence dia nolavin'ireo Rain'ny Fiangonana ny Salamo faha-151 satria tsy nihevitra azy io ho tsara tahirizina i Ezra (na Esdrasa) tamin'ny nanangonany ny boky samihafa ao amin'ny Soratra Masina. Laviny koa ny maha voasoratra amin'ny fiteny hebreo na arameana tamin'ny voalohany io salamo io fa mety tamin'ny fiteny grika.

Salamo apokrifa ny Salamo faha-151 ho an'ny Fiangonana katolika sy ireo fiangonana rehetra nipoitra avy aminy, na mivantana na tsia (Protestanta, Evajelika sns.), ary ho an'ny ankamaroana'ny Jiosy.

Ny zavatra voalaza ao amin'ny Salamo faha-151

Toy izao no fanombohan'ny lahatsorany:

"Izao ny Salamo nosoratan'ny tanan'i Davida sy ivelan'ny filaharana. Raha nanao adin'ny fanalolahy tamin'i Goliata izy".

Ao amin'ny dikan-teny hebreo anefa dia izao no teny fiantombohany:

"Aleloia! Ho an'i Davida zanak'i Jese".

Naka ny tantara ao amin'ny Boky voalohan'ny mpanjaka ny mpanoratra (1Mpan. 16.1-13 sy 1Mpan. 17.40-51) izay miresaka ny amin'ny nisafidianana an'i Davida sy ny fanosorana azy ary ny ady nifanaovany tamin'i Goliata.

Jereo koa: