[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Indigofera tinctoria

Avy amin'i Wikipedia
Indigofera tinctoria

Ny Indigofera tinctoria, dia karazana zavamaniry, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, izay anisan' ny loharano voalohany ahazoana fandoko miloko angana (manga antitra). Ireto ny anarana matetika iantsoana azy amin' ny teny malagasy: aika, engitra, angitra.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]
Indigofera tinctoria (any Guadeloupe)

Hazo madinika manana haavo mirefy 1 hatramin' ny 2 m ny aka. Manana tsingerim-piainana iray taona na roa taona, na maharitra izy, arakaraka ny toetany ambolena azy. Manana ravina maitso mavana sy amboara misy voniny mavokely na volomparasy ity zavamaniry ity. Mety hahitana ireto poizina afaka mamono bibikely ireto izy: rôtenôida degelinna, dehidirôdegelinina, rôtenôla, rôtenôna, tefrôsinina ary somatrôla ny ao aminy.

Fahita any Afrika Andrefana trôpikaly, ao Tanzania hatrany Afrika Atsimo ary any amin' ny Zana-kôntinenta Indiana hatrany Azia Atsimo-Atsinanana an-tanibe ity zavamaniry ity.

Indigofera tinctoria, voninkazo.

Karazana voamaina (legioma maina) ity zavamaniry ity, koa noho izany dia volena mifandimby amin' ny voly hafa eny an-tsaha mba hanatsarana ny nofon-tany sahala amin' ny voamaina hafa toy ny alfalfa (Medicago sativa) sy ny tsaramaso (Phaseolus vulgaris L.) sy ny mitovitovy aminy. Ambolena betsaka koa io zavamaniry io mba handrakofana sy hanatsarana ny nofon-tany.

Azo avy amin' ny fanodinana ny ravin' ilay zavamaniry ny fandoko. Alona anaty rano ny raviny ary aotrika mba hiova ho indikanina glikôsida sy ho lasa indigôtinina miloko manga. Afangaro amin' ny alkalia mahery toy ny hidrôksida-na sôdiôma (NaOH) na hidrôksida-na pôtasiôma (KOH) ny siky avy amin' ny tsoran-dravinkazo niotrika.

Akora fandoko azo avy amin' ny Indigofera tinctoria

Amin' izao fotoana izao, ny ankamaroan' ny fandoko dia sintetika, fa ny fandoko voajanahary avy amin' ny Indigofera tinctoria dia mbola misy, amidy ho fandokoana voajanahary izay fantatra amin' ny anarana hoe tarum any Indônezia sy nila any Malezia. Any Iràna sy any ammin' ny faritra maro ao amin' ny Firaisana Sôvietika teo aloha dia fantatra amin' ny anarana hoe basma.

I Marco Polo (taonjato faha-13) no Eorôpeana voalohany nanao tatitra momba ny fikarakarana ny indigô tany India. Ny indigô dia nampiasaina matetika tamin' ny sary hosodoko eorôpeana, nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany.

Anarana siantifka hafa ahafantarana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ho an' ny Tropicos, ireto anarana manaraka ireto dia heverina ho mitovy zavatra tondroina amin' ny Indigofera tinctoria:

  • Anila tinctoria (L.) Kuntze
  • Anila tinctoria (L.) Kuntze var. normalis Kuntze
  • Indigofera indica Lam.
  • Indigofera sumatrana Gaertn.

Ny angon-drakitra an-tranonkala The Plant List dia mitanisa ireto teny ireto ho mitovy :

  • Indigofera bergii Vatke
  • Indigofera cinerascens DC.
  • Indigofera houer Forssk.
  • Indigofera indica Lam.
  • Indigofera oligophylla Baker
  • Indigofera orthocarpa (DC.) O.Berg & C.F.Schmidt
  • Indigofera sumatrana Gaertn.
  • Indigofera tinctoria Blanco

Teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Indreto koa ny sasany amin' ny karazan-javamaniry antsoina amin' ny teny malagasy hoe "aika" na "engitra" na "angitra":

  • Indigofera tinctoria L. (Fabaceae)
  • Indigofera anil L. (Fabaceae)
  • Indigofera erecta Eckl. & Zeyh. (Fabaceae)
  • Indigofera suffruticosa Mill. (Fabaceae)
  • Crotalaria striata A. Braun (Fabaceae)
  • Sida rhombifolia L. (Malvaceae)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]